La Réunion : Nametrahana daba-pako ho an’ny ambon-kena ao Saint-André
Amin’izao vanim-potoan’ny fety izao dia nametraka daba-pako ho an’ny « déchets carnés » na fako avy amin’izay mety ho ambon-kena rehetra ny tompon’andraikitry ny tananan’i Saint-André. Azo ampiasaina hatramin’ny 4 janoary 2023 io fitoeram-pako io izy tontosa noho ny fiaraha-miasa ny tompon’andraikitry ny tanana niaraka tamin’ny Cirest, vondrona misahana ny fako.
Nanamarika kosa ireo tompon’andraikitra fa mila tetehana 30×30 sanimetatra ny hoditr`osy hariana ao amin’io toetram-pako voatokana io araky ny baikon’ny fantsona mpikirakira ny fako. Raha tsiahivina dia mahatratra hatramin’ny 1500 Euros ny lamandy aloha ho an’izany tratra manary fako eny amin’ny tontolo iainana eny ao an-toerana.
