SocialTatitra

Jordanie : Talen’ny hopitaly iray nosamborina nohon’ny fahafatesana marary 7.

Talen’ny hopitalim-panjakana ao Salt, Jordanie miaraka amin’ny tompon’andraikitra 4 no nosamborin’ny manam-pahefana ao an-toerana ny sabotsy 13 martsa. Mararin’ny coronavirus 7 tao amin’ny trano fameloman’aina no voalaza fa niara-maty avokoa taorian’ny tsy fahatomombanan’ny fanomezana oxygene azy ireo, hoy ny mpampita vaovao iray avy tao amin’ny fitsarana. Antony nisamborana ireo mpiasa ao amin’ny hopitaly ireo hoy ny procureur Amman ny mba hanampiana amin’ny fanaovana ny famotorana. Mandritra ny herinandro ihany no hitazonana azy ireo hoy hatrany izy tao amina fampahafantarana an-tsoratra nataony. Raha araka ny fantatra, tapaka nandritra ny adin’ny iray teo ny oxygene an’ireo marary, izay niteraka ny fahafatesany. Lehilahy 4 sy vehivavy 3 maherin’ny 40 taona avokoa ireo maty ireo. Naneho ny hatezerany manoloana ity tranga ity ny mpanjaka Abdallah iI sy ireo mponina ao Jordanie. Nidina ifotony nijery ny zava-nisy tao amin’ny hopitaly Salt ny mpanjaka. ireo mponina kosa nivory teo anoloan’ny hopitaly nanehoan’izy ireo ny hatezerany. Efa manomboka ny fanadihadiana manoloana ity raharaha ity

Laisser un commentaire