Raharaha volamena 73,5kg : Efa misy ny sazy hefain’ireo tompon’antoka.
Somary nangina tato ho ato ny raharaha volamena 73,5kg hita tatsy afrika atsimo, izay avy aty Madagasikara. Mbola tsy voafaritra mazava hatreto ireo tompon’antoka sy ireo tena atidoha niketrika izany. Misy kosa anefa ireo efa voarohirohy sy voasambotra nandritra izany. Tsy teto Madagasikara irery ihany no nisy fanadihadihana fa hatramin’ny firenena tao Afrique du Sud koa aza mba nandray an-tanana ity raharaha ity. Mpiasan’ny fadintseranana maromaro no efa voa tamin’izany, teo ihany koa ireo mpikirakira eny amin’ny fiaramanidina samihafa. Mbola tsy mazava aloha hatreto ireo atidoha nikonokonona izao fanondranana an-tsokosoko harem-pirenena izao. Raha tsiahiviny, olana 3 no efa voasambotra tany afrika atsimo. Manohy ny fanadihadihana mahakasika izany izy ireo ka izay no antony nahazohan’ireto olona 3 mpiasan’ny fadintseranana any an-toerana fahafahana vonjimaika. Tsy tapitra hatreo anefa ny fanadihadihana ka mbola tsy azon’izy ireo atao ny mivoaka ny faritra sy firenen’i Afrique du Sud. Ankoatra izany, voasazy handoha lamandy 25 tapitrisa ariary ireto olona ireto. Fanontaniana hapetraky ny maro ihany ny hoe: manao ny asany ara-dalàna ihany ve ny tompon’andraikitra eto an-toerana ? Tsikaritra mantsy fa toa tsy mitsahatry ny mandray an-tanana ity raharaha ity ny firenena afrikanina atsimo. Tsy re firy ihany koa izany teto Madagasikara tatoato. Mety ho antony hanaovan’ny ao Afrique du Sud fanadihadihana lalina ny fiarovany ny voninahim-pireneny.
Fanilo Rarivoarilala
