ActualitésTsidika

Fandraisam-pitantanan’ny talem-paritry ny serasera sy ny kolontsaina amoron’i mania

Isan’ny paikadin’ny Ministeran’ny serasera mba hampandrosoany ny asany ny fametrahana fitaleavan’ny Ministera isakin’ny afritra. Nisy araka izany ny fanendrena taorian’ny filan-kevitry Minisitra an-Rahelinoro Lalanirina Noëlle ho talem-paritry ny serasera sy kolontsaina Amoron’i Mania». Ilaina mihitsy ny fanovana ny ekipa eo anivon’ny Ministera mba hivoarany bebe kokoa satria traikefa sy fomba fiasa vaovao no mitsangana rehefa olona vaovao no mitondra » hoy i Miranto, mpianatra serasera eo anivon’ny Oniversite. 

Notanterahana tany Ambositra araka izany ny lanonana fandraisam-pitantanany izay notarihan’ny Talen’ny Kabinetran’ny Ministera.  Nandritry ny famindram-pitantanana teo amin’ny talem-paritra vaovao sy ny talem-paritra mpisolo toerana no nitondran’ny Tale kabinetra ny hafatra avy amin-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina. “Mampanantena izahay fa hifanome tanana amin’ny Rahelinoro Lalanirina Noëlle mba hantsarana hatrany ny asa” hoy ny solon-tenam-panjakana tany an-toerana.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire