SocialTsidika

Zava-dehibe ny fiaraha-miasan’ny zandary sy ny vahoaka.

Tsy ampy ny asa eto Madagasikara, eo ihany koa ny kamo tsy te hisasatra afatsy ny hangalatra ny vokatry ny hatsembohan’ny hafa. Mahazo vahana tokoa ny asan-jiolahy amin’izao na dia efa maro an’isa ny zandary manerana ny nosy izay mpamongatra azy ireny. Saron’ny zandary ny atoandron’ny 23 febroary lasa teo izao ny jiolahy mitam-basy miisa roa tao Manakana, kaominina Anjialava, distrika Sambava. Noho ny fanampiana avy amin’ny olon-tsotra no nahatratrarana azy ireo tao amin’ny toerana fitobiany ka voasombatra ny roa raha tafatsoaka kosa ny iray. Tratra tao niaraka tamin’izay ny basy vita gasy sy ireo fitaovana azo vokatry ny vakitrano nataon’izy ireo. Tsy mbola hay mihitsy hoe iza no tena mpamatsy fitaovana ny tambajotran-jiolahy tahaka izao. Isika vahoaka izay tena lasibatra anefa no tena mahita sy mahafantatra akaikikaiky kokoa ny momba ireo jiolahy ka aoka hiara-hiasa amin’ny zandary amin’ny famongorana azy ireny. Tsy maintsy miainga avy aty amin’ny vahoaka mantsy ny fitarainana amin’ny asan-jiolahy ary ny mpitandro filaminana no manao ny famotorana. 

Nicole Rafalimananjato

Laisser un commentaire