SocialTsidika

Fifanatonana sy fifanakalozankevitra eo amin’ny mpitondra sy ny mpanohitra.

Hiroso hatrany amin’ny fanoherana izay lazainy fa « fanaparampahefana » sy « didy jadona » ataon’ny fitondrana ny avy ao amin’ny antoko mpanohitra. Raisin’izy ireo ho herisetra ny zava-nitranga ny asabotsy lasa teo ka hiady sy hitolona amin’izany ny mpanohitra izay tarihan’ireo solombavambahoaka mpanohitra tohanan’ny antoko TIM, RMDM, Groupe Panorama. Tana-polo ny vahoaka kanefa fitaovam-piadiana mahery vaika no harangaranga hoy izy ireo nandritra ny fivoriany ny Alarobia 23 febroary lasa teo teny amin’ny Panorama. Hiova ho tolona araka izany ilay tatitra saika hatao ny asabotsy lasa teo. Hiady ihany koa ny mpanohitra ho an’ireo olona 12 voasambotra nandritra iny hetsika iny izay voapanga fa nitarika korontana sy fisandohana andraikitra. Amin’ny 6 aprily no hiakatra fitsarana ireto farany ka nampidirina am-ponja eo am-piandrasana ny fitsarana azy. Mitondra antsika makaiza anefa izany ? Tsy vahaolana ny ady fa ny fifanatonana sy ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny roa tonta no tena ilaina mba hisian’ny vahaolana ho an’ity firenena ity. Ny fitondrana manana ny fahefana, ny mpanohitra manana kihana sy mahita ny tsy mety amin’ny fitondrana ; moa ve tsy mifameno izany ? I Madagasikara handroso no tanjona raha tena tia tanindrazana tokoa izy. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire