ActualitésTsidika

Manjakandriana : Ireo mpivarotra omby no voalaza ho mpangalatr’omby

Matetika mihitsy ny tsy fandriam-pahelamana manoloana ny halatr’omby any Anjozorobe. Any amin’ireo mpivarotr’omby any an-toerana ny ahiahian’ireo zandary hany ka tsy manenjika dahalo intsony izy ireo fa manenjika mpivarotr’omby. Tsy hisalasalana tokoa ve fa ireo no mpangalatra ?

« Izahay tsy manan-tsiny efa nivelona tamin’ity varotra ity no lasibatra manoloana ny halatr’omby, ireo zandary koa tsy mitady lavitra fa ny eto akaiky ihany » hoy i Arsène, mpivarotr’omby any an-toerana. Mitaraina any amin’ny solombavambahoaka ireo mpivarotra, tsotra anefa ny navaliny : « alamino ny resaka any fa aza itarina, aoka ianareo samy any an-toerana no hahay hifanaraka tsara ».

« Tsy manaiky mihitsy ireo zandary fa raha tsy izany ianao no mpangalatra hany ka tsy maintsy manome vola kely foana farafahakeliny 20 000 ar » hoy ny mpisera omby hafa. Mizotra makaiza ny firenena, ny zandary voatampina vola no mbola ny tsy manna-tsiny no voahenjika fa tsy ny olon-dratsy ? « Ataony aloha ny fizahana ilay omby ka ra misy tsy tomombana kely, ohatra hoe naratra ny sofiny dia efa tsy manaiky izy, miantso ny fitondram-panajkana izahay mba hiaro ny vahoaka madinika manoloana ny fanararaotana » hoy i Rolland, tompon’omby. Iza tokoa ny mpangalatra? Ny malagasy mivelona amin’ny ara-dalàna indray no enjehina? Aiza ny firenena anjakan’ny mangarahara ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire