ActualitésTsidika

Anosy Avaratra : Nofaranana tamin’ny fifaninana lalao baolina kitra ny fankalazana ny 70 taonan’ny Railovy

Fifaninana baolina kitra, nandraisan’ireo ekipa avy ao amin’ny kaominina Anosy avaratra anjara, no nentin’ny Railovy Anosy Avaratra namaranana ny fankalazana ny faha 70 taona nijoron’izy ireo. Omby iray lehibe no loka azon’ny mpandresy tamin’ny fifaninana nandritra izany.

« Isaorana feno ny mpikarakara ny lalao. Anisan’ny nahafinaritra tamin’ny fikarakarana fifaninana tahaka izao ny fampiombonana ireo tanora ety anivon’ny kaominina no manome vahana ny fanatanjahan-tena, indrindra ity taranja baolina kitra ity » hoy i Liva, mponina ao Anosy Avaratra.

« Amin’ny fotoana toa izao no fanehoana ny firaisan-kina. Mila fanohanana hatrany ny fanatanjahan-tena eto amintsika. Anisan’ny mampiombona, mampiray, indrindra manabe ny tanora io fanatanjahan-tena io ka tsy tokony atao ambanin-javatra » hoy i Hery, mpanao baolina.

Maro ny tanora liana ary mankafy ny taranja baolina kitra ity, indrindra ireo tanora ao anatin’ny distrikan’Avaradrano. Ho fanatsarana izany, ilàna fijerena manokana manomboka any amin’ireo fampitaovana sy fanohanana amin’ny lafin’ny rehetra mba hampiroboroboana ity taranja iray ity.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire