SportTsidika

Mitohy ny fifanarahana eo amin’ny PSG sy i Mathias hatramin’ny 2024

Nohavaozin’ny Paris Saint Germain ny fifanarahana miaraka amin’i Randriamamy Mathias izay isan’ny mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy Barea, hatramin’ny 2024. Izy araka izany no Malagasy hiaraka hilalao amin’i Messi sy Sergio Ramos, Neymar, Mbappe na dia vao 18 taona monja aza izy satria teraka ny 2003.

« Efa ezaka lehibe izao, manohana hatrany izahay no sady mirary soa ho an’i Mathias ihany koa ho lasa lavitra amin’ny taranja na dia vao tanora maitso volo aza » hoy ny tanora Malagasy iray, mpankafy baolina kitra. « Vita sonia soa aman-tsara ny fifanarahana teo amin’i Randriamamy Mathias sy ny PSG. Amin’ny taona 2024 no fetra, inoana fa mbola hitohy aorian’io raha misy fivoarana hatrany hatrany ity mpilalao Malagasy ity » hoy i Patricio tao amin’ny tambajotran-tserasera. « Mendrika tokoa i Mathias manoloana ny ezaka ataony » hoy ny avy ao amin’ny PSG. Vao tanora tokoa i Mathias kanefa efa mitondra sahady ny voninahim-pirenena. Rehareha ny Malagasy tokoa izy ka tsara raha tohanana hatrany ho lasa lavitra amin’ny taranja baolina kitra.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire