ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Manomboka amin’ny sarany 1000 ariary isam-bolana no aloha amin’ny Service Raoka fako

Mitohy hatrany ny fanentanana ataon’ireo tompon’andraikitra misahana ny servce raoka fako, ao amin’ny kaominina Ambohimanambola. Efa manomboka apetraka amin’ireo fokontany hafa ao an-toerana moa ity tolotra mahakasika ny fitantanana ny fako ity amin’izao fotoana.

« Miezaka hatrany ny tompon’andraikitra manolotra vahaolana ho fandaminana ny fintantana ny fako isam-pokontany. Ny servisy raoka fako dia napetraka mba handray an-tanana izay sehatra iray izay ary izy no maka ireo fako isan-tokantrano. Manomboka amin’ny sarany arivo ariary isam-bolana no alohan’ny mpanjifa dia tsy miparitaka intsony ny fako » hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny servisy Raoka fako.

« Tena hatramin’ny nisian’ny servisy raoka fako dia hita tokoa ny fiovana teto amin’ny tanàna, ny resaka fahadiovana sy ny filaminana. Ireo mpisehatra amin’ny servisy ihany koa tena mahavita ara-dalàna ny asany ary mendrika hisaorana sy fanohanana » hoy i Felana, mponina ao Ambohimanambola.

Indray mandeha isan-kerinandro no tonga maka ny fako isam-bolana ireo mpisehatra amin’ny servisy raoka fako. Manentana hatrany ny mponina araka izany ny tompon’andraikitra mba hanjifa izany satria miantoka ny fahadiovan’ny tanàna no mmapivoatra ny fiaraha-monina ihany koa.

Manitra R.

Laisser un commentaire