Maurice : Niabo ny tsenam-bolan’ny nosy tamin’ity taona ity
Niabo ny tsenam-bolan’i Maurice tamin’ity taona 2023 ity rehefa nisedra fatiantoka manoloana izany nandritra ny taona maro izy. Hatramin’ny fiandohan’ny taona teo dia mitentina Rs 1 495 000 tapitrisa (150 tapitrisa tapitrisa Ar) ny sandan’ny fividianana raha Rs 1 120 000 (114 tapitrisa tapitrisa Ar) tapitrisa ny sandan’ny varotra izay miteraka fampiasam-bola « net positif » Rs 375 tapitrisa (38 000 tapitrisa Ar).
Tetsy ankilany dia nivory ny Index Management Committee ary nankatoa ny lisitry ny orinasa tafiditra ao amin’ny SEM-10 ho an’ny telo volana manaraka nanomboka ny 5 jolay teo. Isan’izany ny MCB Group Ltd, IBL Ltd, SBM Holdings Ltd, CIEL Limited, Ascencia Ltd, Phoenix Beverages Ltd, Vivo Energy Mauritius Limited, Afreximbank, ENL Limited et Rogers & Company Limited.
Ny Grit Real Estate Income Group Limited, CIM Financial Services Ltd, Lux Island Resorts Ltd, Medine Limited ary ny MUA Ltd kosa no ao amin’ny «Reserve List».
