Tsidika

Lalaon’ny Nosy andiany faha-11 : Manana solontena amin’ny taranja paralympiques i Madagasikara

Fanatanjahantena ho an’ny olona manana fahasembanana ara-batana ny fifaninanana paralympique. Manana solontena hiatrika izany i Madagasikara mandritra ny lalaon’ny Nosy andiany faha-11 izay ho atao ny volana Aogositra ho avy izao. Ao anatin’ny fanomanana tanteraka ireo atleta ireo amin’izao fotoana izao ary efa tonga eto Antananarivo avokoa izy hiatrika ny fifanintsanana.

« Efa anaty fiomanana tanteraka ireto ekipan-tsika Malagasy ireto amin’izao fotoana izao. Vonona ny hanome ny tsara avy aty aminay izahay na izahay mpanazavatra na ireo mpifaninana. Ny hanandratra avo ny voninahi-pirenena no tanjona ary koa ny tsy hitsanga-menatra manoloana ireo vahiny » hoy ny mpanazatra.

Naneho ny fahavononany ihany koa fanampin’izay ireo mpifaninana Malagasy. Efa ao anaty fanomanana tanteraka izahay amin’izao fotoana izao. Efa vonona tsara ihany koa hiatrika ny fifaninana. Ny toky dia ny hoe handresy hatrany fa any anaty lalao no ahitana izay vokatra. Vonon-kandresy, hoy ny mpifaninana iray.

Raha ny nambaran’ireo federasiona misahana ity taranja iray ity hatrany dia efa fotoana lava no nanomanan’izy ireo ny mpifaninana hiatrika ny Lalaon’ny Nosy 2023. Efa mipetrapetraka araka izany ny enti-miatrika rehetra amin’ny fiatrehana ny lalao.

Amin’ny ankapobeny dia efa anaty fiomanana tanteraka isika Malagasy amin’ny fandraisana ity lalaon’ny Nosy andiany faha 11 ity amin’izao fotoana izao. Miomana tahaka izay ihany koa ireo mpifaninana isan-tsokajiny mba hiadiana ny amboara.

Miranto Andrih

Laisser un commentaire