Coronavirus : Nahoana no tsy mety amintsika intsony ny fihibohana ?
Ny Afrikanina no marefo indrindra amin’ireo kaontinanta. Tafakatra 100 000 mahery ireo matin’ny Coronavirus aty Afrika. Namotika sehatra maro ny io valanaretina io, indrindra n yeo amin’ny sehatry ny toe-karena. Ho an’i Madagasikara, tsy misy lanjany intsony ny vola Malagasy raha mitaha amin’ireo vola vahiny. Midangana ihany koa ny vidim-piainana vokatry ny fihibohana. Tsy nisy niasa ny efitrano fandraisam-bahiny, ireo fisotroana, ny fizahan-tany, ny orinasa vahiny maro ary ny sidina ivelany. Mirongatra indray anefa ny Covid-19 eto amintsika rehefa nohalefahana ny fepetra ara-pahasalamana. Atahorana ny hisian’ny onja faharoa toa ny any ivelany. Ireo firenena any ivelany izay tsy maintsy niditra tamin’ny fihibohana indray. Hanao ahoana ny eto Madagasikara ? Mahantra ny vahoaka. Tsy ho zaka intsony ny hiditra amin’ny fihibohana indray. Ny miara-miaina aminy toa ny efa natao volana vitsy izay no mety. Fanampin’izany ny fametrahana paik’ady fifehezana miainga avy eny ifotony. Tsy misy fifehezana azo apetraka raha tsy mahazo fankatoavana avy amin’ireo voakasik’izany.
Dinah Razanajatovo
