Nahazo sazy mihantona herintaona i « Sôranao sa tsy sôranao ? »
Sazy mihantona herintaona no nomen’ny Fitsarana an’i Jackson Samuel Rajaolaza na i Sôranao sa tsy sôranao? ny 6 jolay teo nandritra ny fitsarana azy. Miampy honitra 200 000ar amin’ny mpitory izany. Raha ny fantatra anefa dia efa nahazo 1 tapitrisa ariary tamin’i Jackson Samuel ny mpitory raha mbola teo anivon’ny zandary ny raharaha.
“Misaotra sy mankasitraka ary miala tsiny tamin’ny teny sy fihetsika izay nanafitohina ny maro tao anatin’ny horonantsary nataoko” hoy izy vao nivoaka ny vonja rehefa nampiaantso mpanao gazety. Raha tsiahivina moa dia nanaparitaka horonan-tsary tao amin’ny tamba-jotra Facebook izy nandaroka sy nanakenda tovolahy iray tany Dzamandzar. Lasa fomba fiten’ny tanora mihitsy ny hoe « Sôranao sa tsy sôranao? » ankehitriny.
Hasina Rasamimanana
