Lehilahy enina voalaza fa nikasa hamono ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena
Mpiambina ny filoha teo aloha 2 sy lehilahy 4 hafa no nosamborin’ny vondrontobimpeleovan’ny Zandarimariam-pirenena Analamanga sy ny Sampana misahana ny Fikarohana heloka be vava eo anivon’ny zandarmariam-pirenena talohan’ny fetim-pirenena.
Voalaza fa nikasa hamono ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly Richard Ravalomanana ireto lehilahy ireto. Araka ny vaovao azo dia mpiambina akaiky ny ny Filoha teo aloha, Hery Rajaonarimampianina ny 2 tamin’ireo lehilahy ireto. Efa eo ampikarohana zandary efa nesorina sy mbola amperin’asa ihany koa ny mpitandro ny filaminana voarohirohy amin’izao raharaha izao. Mipetrka ny fanontaniana hoe misy hifandraisany amin’ny filoha teo aloha ve izao tranga izao ?
Hasina Rasamimanana
