Alasora : Lehilahy mpisandoka ho zandary tratran’ny mpitandro filaminana
Lehilahy iray no voasambotry ny mpitandro filaminana taorian’ny fitarainana voarain’ny tao amin’ny tobim-paritry ny zandarimaria tao Alasora. Araka ny voalaza, nitonona ho zandary ity lehilahy ity, ary nisoloky vola be tamin’ny mpiasan’ny fananan-tany iray etsy Alasora.
« Tsy kely lalana ny ratsy ary mety hisehoan’izany avokoa ny sehatra rehetra. Indraindray izy miseho amin’ny endrika kolikoly, indraindray fisolokiana miaro fisandohana na herisetra; mila manao fanadihadiana hatrany raha tsy te hiaran’izany satria mety hiseho amin’ny endriny maro ny fisolokiana » hoy i Mamy, raim-pianakavina, mpikarakara taratasy momba ny fananan-tany.
« Manao ezaka hatrany ny mpitandro filaminana manoloana ny karazana asa ratsy, ilaina ny fiaraha-miasa amin’ireo vahoaka entina hanenjehana sy hatratrarana azy ireny » hoy ireo mpitandro filaminana.
Manoloana izany, rehefa nanao ny fanadihadiana momba ity lehilahy mpisoloky ity ireo mpitandro filaminana, tamin’ny alalan’ny vela-pandrika napetraka, tratra tao aminy ny matraque sy ny karazana karatra hosoka fitondrany amin’ny asa ratsiny. Notanana vonjimaika niaraka tamin’ireo porofo rehetra ireo izy ary miandry ny fitsarana sy ny sazy sahaza azy.
Manitra Ramanantsoa
