ActualitésTsidika

Fasan’ny Karana: Tratra ireo amalona tsy ara-dalàna avy any Morondava

Nahatratra amalona milanja 120 kilao tsy ara-dalàna teny amin’ny Fasan’ny Karana. Tsy misy taratasy fahazoan-dalana hanangona sy hivarotra ireo nitondra azy. “Avy any Morondava ireto amalona tsy ara-dalàna ireto. Ny 7 desambra lasa teo no nahatratrarana izany” hoy i Runot, mpamily iray miasa ao amin’ny tobim-piantsonan’ny fiara etsy amin’ny Fasan’ny Karana. “Nomena ny foyer de vie Andrainarivo izay mitaiza be antitra ireo amalona tratra ireo. Hanampy ity akany ity amin’ny ara-tsakafo izany » hoy ny mpitandro filaminana. “Betsaka ny tranga tahaka izao. Mila ampahafantarina ihany vahoaka ny mikasika ny tokony sy ny tsy tokony ho atao rehefa mitondra entana tahaka izao. Betsaka ireo tsy mahalala ny lalàna ary tsy manao izany” hoy i Felix, mpianatra serasera eny amin’ny anjerimanontolo. Betsaka tokoa tato ho ato ny trangana tsy fanarahan-dalàna. Ny lalàna ary ve no tsy fantatra sa minia mandika izany ny olona?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire