France : Tovolahy 14 taona niandry fitateram-bahoaka no nisy nitsatoka antsy tao Marseille
Tovolahy iray 14 taona no niandry fitanteram-bahoaka zotra 31 tao amin’ny boriboritany faha-14 Marseille. Manodidina ny 9 ora sy sasany alina teo nefa dia nisy fiara nijanona tampoka teo alohany ay nisy olona telo nivoaka tao anatiny.
Nanomboka nanenjika azy ireo olona ary nitsatoka azy tamin’ny antsy. Voa teo amin’ny feny, ny mojany ary ny lohaliny io tovolahy io saingy mbola tafatsoaka izy ary nahasakana fiara nitondra azy tany amin’ny hopitaly. Mbola miatrika fitsaboana io tovolahy io amin’izao fotoana.
Tsy fantatra mazava raha efa nokendrena na nofidiana tamin’ny kisendrasendra io tovolahy niaram-boina io. Efa manadihady manoloana ny tranga kosa ny manam-pahefana.
