Dépêches

Akamasoa : Niara-nankalaza ny Noely teny amin’ny Akamasoa ny Filoham-pirenena sy ny fianakaviany

Dépêche 26 décembre, 11h30, Teny amin’ny Akamasoa miaraka amin’i Père Pedro sy ireo olona sahirana tao amin’ny « site » no nosafidian’ny Filoham-pirenena sy ny vady aman-janany hankalazana ny fetin’ny Noely tamin’ity taona 2023 ity. Niara-nivavaka sy niara-paly tamin’ireo vahoakan’ny Akamasoa izy ireo ary nanolotra fanomezana ho an’ireo ankizy kely rehetra izay ao amin’ny site. Izay tsara marihina fa fanomezana avy amin’ireo ankizy amerikanina ireto kilalao nozaraina ireto ka hatolotra ny ankizy aty amin’ny firenena mahantra hamalifaliana azy ireo.

Laisser un commentaire