Dépêches

Tovovavy iray nokasian-tànana miaramila avy eny Betongolo

20 Desambra, 09h00. Nandray andraikitra avy hatrany ny eo anivon’ny Tafika an-tanety raha nahita ny fitarainana mikasika ny tovovavy iray izay lazaina fa nokasian’ny miaramila tànana. Nandeha ifotony ireo zandarmaria ary nanao fanadihadiana ilay miaramila voalaza anarana ao amin’ny tambajotra serasera samihafa nanao ny fihetsika. Manaraka ny raharaha akaiky kosa ny lehibe isan’ambaratongany eo amin’ny Etamazaoron’ny Tafika an-tanety.

Laisser un commentaire