Dépêches

Manompo sy mitondra fivoarana amin’ny toe-karena eto Madagasikara ny asa fanaovan-gazety

20 Desambra, 10h00. Manetsika na miteraka fidiram-bola amin’ny sehatra maro maro ny fandehan’ny Mpanao Gazety amin’ny faritra na toerana iray. Voakasiky izany ny sehatry ny fitaterana, trano fandraisam-bahiny, trano fisakafoanana. Manome na mamorona asa tampoka ny mponina amina toerana iray ny fanaovan’ny Mpanao Gazety fanadihadiana amin’ny loha hevitra efa voafantina ary miteraka fanapahan-kevitra vaovao na fanatsarana eo amin’ny sehatry ny fandraharahana sy fifanakalozana ara-barotra izany.

Laisser un commentaire