Tetikasa Tanamasoandro: Tsy eken’ny mponina ny fibodoana ny taniny
25 Martsa, 10h00. Ny fametrahana ilay tanàna vaovao amin’ny tanim-panjakana 391C, mirefy 342 Ha io no soso-kevitry ny mponina avy amin’ny fokontany 6, voakasiky ny tetikasa Tanamasoandro. Tsy manaiky ny fikitihana ny tanin’olon-tsotra sy ny fanotofana lohasaha ary ny fanakanana ny lalana fivezivezena izy ireo. Hatreto dia tsy mbola nisy nisy fifampiresahana teo amin’ny mponina sy ny tompon’andraikitry ny tetikasa, ary mangetaheta izany ireo mpitarika ny mponina. Marihina fa 4ha amin’ny tany hanorenana io tetikasa io dia omena ny minisitera ny serasera hanorenany ny « maison de presse ».
