ActualitésTatitra

Etats-Unis : Misy zava-maniry afaka manivana ny rano efa nampiasana

Mpikaroka maromaro avy ao Etats-Unis no nanao fikarohana fa misy ireo zava-maniry misy ranony madity (« plantes gluantes ») afaka manivana ireo « particules de microplastique » ao anatin’ny rano efa niasa na rano maloto. Anisan’ny voasokajy ao anatin’ireo zava-maniry ireo ny « gombo », « fenugrec », voamadilo, vahona sy ny maro hafa.Raha ny voalazan’izy ireo dia mahasolo ny vokatra simika « floculant » ampiasain’ny ozinina mpanadio rano ireo zava-maniry ireo. Marihina moa fa ireo « floculant » simika ireo dia misy fiantraikany ratsy ho an’ny trondro, ny tontolo iainana ary ny fahasalaman’olombelona. Mila mampiasa vokatra natoraly tsy mampididoza hanivanana ny « microplastique » ny olombelona hoy i Rajani Srinivasan, mpitarika ny fikarahona.

Laisser un commentaire