SocialTatitra

La Réunion : Tovovavy tsy hita nanditra ny 3 volana, hita tao amin’ny renim-pianakaviana iray

Tovovavy 14 taona, tsy hita tao anatin’ny telo volana i Annelise. Efa nanao ny fikarohana sy nandefa ny fikarohana azy tamin’ny haino aman-jery ireo manam-pahefana saingy tsy mbola nisy niantso izy ireo.Hitan’ireo manam-pahefana tao Saint-Pierre tsy nahy omaly alakamisy kosa ity tovovay ity. Renim-pianakaviana iray no nampian-trano azy raha ny fampitam-baovao. Efa eo am-pelantanan’ireo manam-pahefana io tovovavy io alohan’ny hamerenana azy any amin’ny reniny.Nilaza kosa ny reniny fa hitory io vehivavy nampiantrano ny zazany io. « Nahoana no tsy nateriny io zanako io nefa niparitaka tamin’ny haino amna-jery ny fikarohana azy ? » hoy izy ny renin’i Annelise.

Laisser un commentaire