SportTatitra

Espagne : Nandresy in-12 tamin’ny Tournoi de Barcelone i Rafael Nadal

Tamin’ny isa 6-4,6-7,7-5 no nandrombahan’i Nadal ny fandresena tao Barcelone tamin’ny lalao tennis. Tamin’ny taona 2005 no tompon-daka voalohany teo amin’ity sehatra ity tao espagne izy. Teo amin’ny fifaninana naharitra adin’ny 3 sy sasany. I Stefanos Tsitsipas no nifanandrina taminy nandritra izany. Izy izay sangany ihany koa eo amin’io sehatra io. Ary laharana fahadimy eo amin’ny ATP. Voasokajy eo amin’ny laharana faharoa kosa i Nadal amin’izao fotoana izao, raha fahatelo izy talohan’io lalao io. « Manan-danja lehibe amiko ity fifaninana farany ity, nandritran’ny herinandro tontolo aho izay no nihezaka nanatsara ny fari-pahaizako, misy dikany lehibe ihany koa ity amboara azoko ity. »  In-12 izao no sangany teo amin’ny tantaran’ny Barcelone i Rafael Nadal.

Laisser un commentaire