Chine : Miavaka ny sary hoso-doko ataon’i Leng Jun
Anisan’ny mpanao ary hoso-doko mahay indrindra eran’izao tontolo izao i Leng Jun. Miavaka noho ny antsipirihan-javatra sy pitsopitsony hita eo amin’ny sary izay mazava tsara ny asa tanany. Voasokajy ho isan’ireo mpahay zavakanto mivohy ny « hyperrealisme » ny tenany. Teraka ny taona 1963 tao amin’ny faritanin’i Sichuan i Leng Jun.
Artista feno i Leng Jun, sady mahay hosodoko no lehiben’ny akademian’ny hosodokon’i Wuhan, mpanao hosodoko nasionaly, filoha lefitry ny fikambanan’ny mpahay zavakanto ao amin’ny faritanin’i Hubei, filohan’ny fikambanan’ny mpahay zavakanto ao Wuhan, mpikambana ao amin’ny mpahay zavakanton’i Chine ary mpikambana ao amin’ny mpahay zavakanto « peinture à l’huile » ao Chine
Malaza eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Leng Jun. Anisany sary nampalaza azy ny « Mona Lisa » navoakany tamin’ny 2004. Naka tahaka ny teknika fampiasan’ilay kalaza eo amin’ny sehatry hosodoko Léonard de Vinci tamin’ny namolavola io asa tanany io.
