ActualitésTsidika

Vontovorona : Fa maninona no tsy mety mivaha ny olana ?

Nanao fihetsiketsehana mitaky ny fandoavana ny vatsim-pianarana indray ireo mpianatry ny oniversite eny Vontovorona omaly. Ny fahataran’ny fandoavana ny vatsim-pianarana no voalaza ho anton’izany fihetsiketsehana izany.

« Efa ho telo volana izao izahay no tsy nandray vatsim-pianarana, miandry hetsika ataonay mpianatra foana ve izany vao mba mandray ny andraikiny ny tompon’andraikitra. Miandry ela izahay mpianatra amin’ny fandoavana ny vatsim-pianarana kanefa tokony mandritra ny taom-pianarana no hanefana izany, ilaina ho an’ny fiofanana sy ny asa fikarohana ka tsy tokony ampiandrasana ela izahay », hoy i Rija, mpianatra eny Vontovorona. « Misy ny fandaminana arahina amin’ny fandoavana ny vatsim-pianarana, izay no antony mahatonga ny fahatarana amin’ny fandoavana ny vatsim-pianaran’ny mpianatra. Tokony ary mangataka ireo mpianatra mba hiandry am-pitoniana izany fotoana izany » hoy ny tompon’andraikitra avy eo anivon’ny paositra”.

Ankoatra izao zava-misy eny vontovorona izao, efa re manambana ihany koa ny fitokonana ataon’ny mpianatra eny Ankatso. Miantso ny tompona’andraikitra itondra vahaolana amahana izany araka izany ireo mpianatra.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire