Fampiasana olona hivaro-tena: Voararan’ny lalàna.
Manomboka miroborobo eto Madagasikara ny proxénétisme. Sehatra iray hampiasan’ireo mpanambola ny olona sasany hivaro-tena. Ny mampalahelo dia efa misy hatramin’ny zaza tsy ampy taona mihitsy no hampanaovin’izy ireo izany. Nanamafy ny avy eo anivon’ny Fitsarana fa tsy azo atao ary tena voararan’ny lalàna mihitsy ny fanomezana izany tolotra izany.
“Na dia misy aza ireo tanora mitady asa noho ny fahasahiranana dia tsy azo atao ny mampiasa azy ireny amin’ny fivarotan-tena. Voararan’ny lalàna izany sady voararan’ny fahasalamana ihany koa. Manana tanjona ratsy dia ny fisolokiana ihany koa matetika ireo olona izay ampiasain’izy ireo amin’izany ka sarotiny ihany koa mpitandro ny filaminana miaraka amin’izany”, hoy ny fanazavana avy amin’ity Mpitsara iray.
“Ankoatra ireo aretina mahafaty maro be izay mety ho azo toy ireo areti-mifindra avy amin’ny firaisana ara-nofo, ny SIDA sy ny Syphilis. Mety ho faty eo noho eo ihany koa anefa raha sendra ireo olon-dratsy izay tsy hilaozan’izany moa ireny sehatra ireny. Raha tsy hanaja lalàna ve tsy aleo mba tsinjovina ny fahasalamana izay voalohan-karena, ireo mpampiasa indrindra izay tokony hijery manokana ny mahaolona”, hoy ksoa ity mpitsabo iray tamin’ny fanehoan-keviny.
Torohevitra azo lazaina hatrany ny hoe maro ny asa azo atao. Manimba vatana ny fanaovana ity asa ratsy ity na dia vola mora azo aza izany. Raha ny eto Madagasikara irery no resahana, mety samy manana ny ambany vohitra ho azy ny olona rehetra ka azo atao ny miverina amin’izany toerana izany mamboly sy miompy izay sehatra mbola azo hivelarana tsara.
Miora Raharisolo
