Fikambanana Oxfam : Manao asa fanarenana ny tanànan’ny Morondava taorian’ny rivo-doza
Namela takaitra betsaka ho an’ny Faritra Atsimo sy Atsimo Andrefan’ny Nosy iny ny rivo-doza Cheneso sy Freddy izay nandalo teto Madagasikara tamini’ty taona ity. NItondra takaitra tamin’izany ny tanànan’ny Morondava. Amin’ny maha fikambanana mandala ny fitoviana eo amin’ny samy olombelona ny Oxfam dia nandray antdraikitra izy ireo hanarina ireo fahasimbana izay vitan’ny tanan’izy ireo.
Efa mandroso miandalana amin’izao fotoana izao ny fanarenana ireo tetezana miisa telo izay tanterahin’ny Orinasa Ecogec miaraka amin’ny Oxfam. Ao anatin’izany ny Tetezana Ambalarao Ampasy, Tetezana Bemokijy, ary ny Tetezana Rapiera. Ireo fotodrafitr’asa ireo izay samy zava-dehibe amin’ny mponina avokoa. Hanampy azy ireo hiala amin’ny tsy fahampiana satria hahafahana mifamezivezy amin’ny famoaham-bokatra isan-karazany. Izany hatrany no tanjon’ny Oxfam izay hanohana ny mponina manerana an’ny Madagasikara sy izao tontolo izao hiala amin’ny tsy fahampiana sy ny tsy fitoviana.
Miora Raharisolo
