ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Nahazo fampiofanana ireo polisin’ny fahadiovana

Nahazo fampiofanana ireo polisin’ny fahadiovana sy ireo mpisehatra ao anatin’ny raoka fako, ao amin’ny kaominina Ambohimanambola ny fiandohan’ny herinandro teo. Hanampy azy ireo amin’ny fintantanana ny fako, izay anjara asa sahaniny no nanaovana izany, raha ny voalaza.

« Miofana hatrany ireo ekipa ato anatin’ny Raoka fako ahafahana manome fahafapo ny mpanjifa sy mifehy ny fahadiovan’ny tanàna » hoy ireo tompon’andraikitra ao amin’ny Raoka fako.

« Ilaina ny fananana taraikefa amin’ny rafim-pitantanana ny fako. Ny fako izay anisan’ny miteraka olana eo amin’ny fiaraha-monina ka ny fotoana tahaka no fanararaotra hanampiana fahalalana sy teknika hitantanana izany araka ny tokony ho izy » hoy ireo polisin’ny fahadiovana.

Zava-dehibe ny fanarahana fiofanana ho an’ny rafitra misehatra amin’ny fampandrosoana ny fiaraha-monina tahaka izao. Andrasana araka izany ny akon’ny fampiharana izany eny ifotony.

Manitra R.

Laisser un commentaire