ActualitésTatitra

Indonésie : Nahazo famatsiam-bola 20 miliara dollars hampihena ny fiankinany amin’ny arina fandrehitra ny firenena

Nandritra ny fihaonamben’ny G20 tao Bali no nanambarana fa hisy ny drafitra fanampiana ho an’i Indonésie eo amin’ny sehatry ny « transition énergétique ». Vondrona firenena matanjaka sy andrim-panjakana iraisam-pirenena ary banky tsy miankina samihafa no nifanaiky hanolotra 20 miliara dollars ho an’io firenena io hanampiana azy amin’ny fanamby napetrany dia ny hialana amin’ny angovo tsy mampiely CO2.

Nilaza i François Pascal de Maricourt, filoha sy tale jeneralin’ny banky ara-barotra iraisam-pirenena HSBC Indonésie fa hampiasiana feno amin’ny tetik’asa « Just Energy Transition Partnership » io famatsiam-bola io. I Etats-Unis sy Japon no mpitarika ny tetikasa ho an’i Indonésie, marihana mantsy fa izy ireo no namolavola ny tetikasa nandritra ny fivorian’ny G7 tamin’ny taona 2021. Ankoatra an’i Indonésie dia voakasik’io tetikasa io ihany koa i Vietnam.

Laisser un commentaire