ActualitésTsidika

Ambohimamory Itaosy : Tapaka lava ny jiro

Tapaka manomboka amin’ny 6 ora maraina ny jiro, ary tsy miverina raha tsy ny ampitso amin’ny 2 ora atoandro any Ambohimamory Itaosy. Velon-taraina ireo mponina, mikatso hatramin’ny asa fivelomany.

« Tena efa tsy rariny intsony ny fahatapahan-jiro ety Ambohimamory Itaosy. Tanàna iray ihany izahay eto kanefa misy faritra tsy tapaka jiro mihitsy. Tsy andro iray na roa izany fa matetika mihitsy » hoy i Skaiz, sady mponina ao Ambohimamory Itaosy no mpanakanto fanta-daza. « Efa voarainay izay fitarainanareo izay. Ho raisinay ny momba izany ary ho ampitainay amin’ny tompon’andraikitra » izany foana matetika no valinteny azon’ireo mponina avy amin’ny Jirama.

Asa, fiainana, aina dia samy miankina amin’io herinaratra io avokoa. Mahazo vahana tokoa mantsy ny ratsy rehefa tapaka ny jiro. Iza no tena tompon’andraikitra ? 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire