ActualitésTatitra

Maurice : Misy ny fifampizaran’ny nosy sy i Zambie manoloana ny zon’ny ankizy

Delegasion’i Zambie misy mpikambana 10 no tonga ao amin’ny nosy Maurice amin’izao fotoana mba hamantapantatra bebe kokoa ny fomba fiasan’ny firenena manoloana ny zon’ny ankizy. Tarihin’ny solombavambahoaka sady filohan’ny komity parlemantera misahana ny tanora, ny fanatanjahantena ary ny ankizy ao amin’ny antenimieram-pirenena ao Zambie, Sydney Mushanga izany delegasina izany.

Tonga nitsidika ara-pomba fanajana ny filohan’ny antenimierampirenen’i Maurice, Sooroojdev Phooker ireo solontena ireo ny fiandohan’ny herinandro teo. Nandritra izany no nilazan’i Sydney Mushanga fa isan’ny tanjon’i Zambie amin’izao fitsidihana izao ny fianarana sy ny fizarana ny fomba fanao tsara indrindra amin’ny fiarovana ny zon’ny ankizy.

Tetsy ankilany dia nanambara i Sooroojdev Phokeer ny fifanakalozana parlemantera dia manamafy ny diplaomasia ary manome fahafahana hifampizarana sy hianarana.

Laisser un commentaire