Imerikasinina : Nanolotra lampadaire hanazavana ny tanàna ny kaominina
Misy hatrany ny ezaka ataon’ny ao amin’ny kaominina ao Imerkiasinina. Ao anatin’ny tetikasa fanavaozana sy fanomezana jiro ho an’ny mponina, nisitraka fanomezana « lampadaire » miisa folo ireo mponina hanazavana ny tanàna. Ankoatra izay, nisy ihany koa ny asa-tana-maro nanamboarana ny lalana tao amin’ny fokontany sy ny fanomezana asa ho an’ireo mponina.
« Manakaiky ireo mponina hatrany ny kaominina amin’ny fanampiana sy fanomezana ireo tetikasa ahafahana mamaly ny hetaheta sy manosika azy ireo mba hisian’ny fampivoarana sy fampandrosoana eny ifotony » hoy ny avy ao amin’ny kaominina.
« Mankasitra ireo ny ben’ny tanàna hatrany amin’ny fandraisana andraikitra ety amin’ny kaominina. Mampitovy anay mba hisitraka hazavana toa ireo fokontany hafa no mihaino ny hetahetan’ny mponina » hoy i Liva mponina Imerikiasinina.
Ny fanakaikaizana ny vahoaka eny fotony tokoa no ahafahana mamaritra tetikasa mifanaraka amin’ny filàn’ny mponina sy mamaha ireo olana eny anivon’ny fiaraha-monina eny ifotony.
Manitra Ramanantsoa
