Ankadikely Ilafy : Hanomboka ny fampiofanana amin’ny zaitra indostrialy
Hanomboka ny fampiofanana amin’ny zaitra indostrialy (machiniste) izay atolotry ny kaominina Ankadikely Ilafy (Confectex) sy ny CFP Belanitra. Ireo ivon-toerana ireo izay matihanina misehatra amin’ny zaitra sy ny fanofanana arak’asa.
« Haharitra telo volana ny fiofanana eto amin’ny ivon-toerana ary tanora latsaky ny 35 taona nahavita ny fianarana hatramin’ny taona faha valo farafahakeliny no fepetra takiana hafahana manaraka ny fiofanana » hoy ireo tomponandraikitra amin’ny fiofanana.
« Misy ny fandraisana anjara 40 000 ar amin’ny saran’ny akora izay ilaina mandritra ny fampiofanana. Ary tsara marihana fa misy ny fanamarinana ny fahavitan’ny fiofanana izay atolotry ny ministera misahana ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa aorian’ny fahavitan’ny fiofanana » hoy hatrany ny fanazavana.
Anisan’ny ezaka ataon’ny kaominina moa ny fanamorana sy fanomezana ireo fiofanana arak’asa ho an’ny tanora ao an-toerana ahafahan’izy ireo mivoatra sy mampitombo traik’efa sy ny fahaiza-manao ho fampandrosoana ny antom-pivelomana.
Manitra R.
