ActualitésTsidika

Ambohimanga Rova : Nisy ny « classe verte » notanterahin’ny fikambanana Mihary

Nisy ny classe verte ho an’ireo mpianatra avy ao Ambohimanga rova izay notontosain’ny association Mihary, ny herinandro lasa teo. Nifampitohy tamin’ny fitondrana ireo mpianatra nitsidika ny rovan’Ambohimanga ny hetsika, raha ny voalaza.

« Nitohy tamin’ny fitondrana ireo ankizy mpianatra nitsidika ny valan-javaboary Tsimbazaza ny hetsika izay nataon’ny fikambanana. Natao izao mba hamalifaliana ny ankizy ary hampitombo fahalalana azy ireo » hoy ireo avy amin’ny fikambanana.

« Hafaliana hatrany ny an’ny ankizy mpianatra rehefa entina mitsidika toerana tsy fahitany firy tahaka izao. Hisaotra hatrany ny association Mihary amin’ny ezaka sy ny fandraisana an-tanana ny fitondrana ny ankizy » hoy i Fanja, mpanabe.

Fotoana manana ny lanjany ao anatin’ny fandaharam-potoanan’ny fampianarana ny « classe verte ». Amin’io fotoana io tokoa no hahafahan’ny mpianatra manovo fahalalana sy mianatra ireo tontolo manodidina azy sy ny tantara ankoatra ireo tovozina any an-tsekoly.

Manitra R.

Laisser un commentaire