ActualitésTsidika

Alasora: Tsy mbola misy ny vahaolana fohy ezaka azo aroso momba ny fahatapahan-drano

Nisy ny fivoriana mahakasika ny olan’ny rano, notanterahana tao amin’ny biraon’ny kaominina Alasora ny alarobia teo. Nampiantso ny tomponandraikitra misahana ny rano avy amin’ny jirama, niaraka tamin’ny lehiben’ny fokontany ao Miadana sy Alasora ary solo-tenan’ny mpanjifa izy ireo hiara-hidinika ny momba ny rano ao an-toerana.

“Araka ny voalazan’ny eo anivon’ny Jirama, dia olana ateraky ny délestage sy tsy fahampian-drano no misy, ary ny toerana avo no tena hiaran’ny olona. Tsy misy vahaolana fohy ezaka azo aroso arak’izany satria dia mbola simba ihany koa ireo kamio mpanatitra ranon’ny Jirama” hoy ny avy amin’ny tomponandraikitry ny kaominina.

“Ny kaominina dia efa nanomboka nitatitra rano ho an’ny Fokontany Alasora sy Miadana nanomboka ny alarobia ihany, ary bidon miisa 1000 no notanterina, ary mbola mitohy izany. Hisy fandaminana manokana amin’io fizarana ny rano io, indrindra ho an’ireo olona izay tsy mpaka rano eny amin’ny paompy » hoy hatrany ny fanazavana.

Miezaka hatrany ny kaominina mitady vahaolana sy manampy ny mponina amin’ny fiatrehana izao olana izao. Ao anatin’ny olana tahaka izao ihnay koa dia ilaina ny fifampitaizana eo amin’ny fiaraha-monina, ahay hifampitsinjo fa indrindra ny fampianarana hitsitsy ny rano.

Laisser un commentaire