ActualitésTsidika

Ambohimanambola : Nitohy ny fametrahana ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro sy ireo mandeha amin’ny alalan’ny herinaratra

Ny herinandro lasa teo no nanohy ny hetsika fametrahana ireo « éclairages publics » mandeha amin’ny herin’ny masoandro sy amin’ny alalan’ny herinaratra ny avy ao amin’ny fiadidina ny kaominina Ambohimanambola, izay notarihin’ny ben’ny tanàna ao an-toerana. 

« Andiany voalohany no natao tamin’ny hetsika fametrahana ny jiro izao. Izany dia nentina indrindra hitandroana ny filaminana sy ny fananambahoaka, izay antoka iray lehibe amin’ny fandrosoan’ny tanàna » hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.

« Tena ilain’ny mponina tokoa ireo hazavana napetraka ireo ; tokony hisy ny fiaraha-miasa eo amin’ny polisy kaominaly sy ny zandary mba hiarovana ireo fananana iombonana ireo amin’ny mpangalatra ary omena sazy ireo izay tratra manao izany » hoy i Laza, mponina ao Ambohimanambola.

Fiaraha-miasa teo amin’ny kaominina sy ny orinasa jirama moa no nahafahana nametraka izao hazavana ho an’ny mponina izao. Mbola misy hatrany anefa ireo fokontany anaty haizina, izay hanentanana ny tomponandraikitra hijery akaiky ny zava-misy, indrindra fa ireo mandalo elakelan-trano maizina.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire