Homamiadan’ny nono, mandripaka vehivavy maro fa tsy dia voaresaka
Mahatratra 20 000 ny isan’ny olona voan’ny homamiadana isan-taona eto Madagasikara, raha ny antotan’isa hita tamin’ny taona 2020 iny. 1500 hatramin’ny 1800 amin’ireo ihany anefa no manatona toeram-pitsaboana. Maro no mety ho anton’izany. Ao anatin’izany ny halafosan’ny fitsaboana. Tsy dia manana ho enti-manana anefa ireo marary ka mionona amin’ny fitsaboana tsotsotra eny. Raha tsiahivina dia mety mahatratra hatrany amin’ny 100 000ariary any raha ny saran’ny fitiliana fotsiny ihany.
Raha mikasika ny homamiadan’ny nono dia mahatratra 67 isan-jaton’ireo manao fitiliana no tratra. Maro ny antony mety mahatonga ity aretina ity, fa ny tena antony mateti-piseho dia ny fihinana zavatra misy akora simika be loatra. Raha momban’ny fiforonany kosa indray no asian-dresaka dia sela iray mizarazara haingana be tsy toy ny mahazatra, ary mahatonga fivontosana no hiaingany. Matetika tokoa zavatra mivonto mafimafy eo amin’ny helika na ny nono no hamantarana ity homamiadana iray ity. Mety hisy ranoka mivoaka ihany koa ankoatra ny ronono eo amin’ny lohanono. Mety hiova ny lokon’ny hoditry ny nono na ny halamany sy ny harokorokony. Indrindra moa mety milentika na malemilemy hafahafa ny lohanono. Manomboka eo amin’ny faha 13 taonany ny vehivavy dia mety hitrangan’ny homamiadan’ny nono. Eo anelanelan’ny 25 hatramin’ny 59 taona kosa no tena mateti-piseho izany.
Azo atao tsara anefa ny misoroka azy. Mila hahena ny fihinanana menaka avy amin’ny biby. Mila hahena ihany koa ny lanjan’ny vatana. Mampitombo ny mety hahavoazan’ny homamiadan’ny nono eo amin’ny vehivavy tokoa ny hatavezana tafahoatra. Manaraka izany, mila fadiana ny fifohana sigara, mila hatsaraina ny fomba fisakafoana. Ny voan-java-maniry rehetra azo hohanina dia atao betsaka kokoa noho izany fa ahena kosa ny hena, ny ronono matavy, ny tamenak’atody, ny dibera, ny kirema ary ny frômazy. Ilaina ny mihinana sakafo be « fibre » na zava-maniry be tsiratsirany. Farany, ary ity no tena fisorohana tsara indrindra, ilaina ny manatona toeram-pitsaboana vao misy soritr’aretina hafahafa. Raha voatily ara-potoana sy mialoha izy mantsy dia azo sitranina tsara.
Diamondra Randriantsiferana
