ActualitésTsidika

Ambohimasina : Ny fankalazana ny faha-herintaona nijoroan’ny onjam-peo Fivoarana

Maro be ireo olona tonga nanotrona ny fankalazana ny faha heritaona nijoroan’ny onjam-peo fivoarana 88.2 tao Ambohimasina ny herinandro lasa teo. Hirarina moa ny mbola hankalazaina ny faha-roa taona manaraka indray.

Nitora-jofo ny kianka nandritra ny fety izay natao. Ao Imerintsiatosika indray moa ny fotoana amin’ny alahady 04 septambra 2022 ho avy izao ka manasa ireo rehetra te hifety amin’izany. Ny lanonana moa dia ho hafainain’i Lola, Lion Hill, Chamir, Nambiance ary i Yton. Manomboka amin’ny 12 ora no misokatra ny varavarana.

Natao avokoa izany hetsika izany ho fankalazana ny fety no sady hanandratana ireo mpanankato Malagasy.

Famenontsoa Rajerison

Laisser un commentaire