ActualitésTatitra

RSF : Mpanao gazety 533 no voafonja eran-tany

Raha ny tatitra isan-taona ataon’ny RSF (Reporters sans frontières) dia mahatratra 533 isa ny mpanao gazety voafonja amin’izao fotoana. Mahery 45 isa noho ny antontan’isa tamin’ny taona lasa izany ary isa ambony indrindra teo amin’ny tantara.

Ny ankamaroan’ireo mpanao gazety voafonja hatramin’ny 1 desambra teo ireo dia hita ao amin’ny 5 : ao Chine izay ahitana mpanao gazety voafonja hatramin’ny 110 isa ; 62 isa ao Birmanie ; 47 isa ao Iran ; 39 isa ao Vietnam ary 31 isa ao Bélarus. 57 isa kosa ny mpanao gazety lavo tamin’ity taona ity, maty nandritra ny ady tao Ukraine ny maro an’isa tamin’ireo. Raga tsiahivina nefa dia 48 isa izany ny taona 2021 ary 50 isa ny taona 2020.

Laisser un commentaire