ActualitésTsidika

Faritra Menabe : Fikambanana mpamokatra miisa enina nahazo fampitaovana

Fikambanana mpamokatra miisa enina misy mpikambana 160 no nahazo fampitaovana avy amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy Fiompiana (MINAE) tao amin’ny faritra Menabe. Entina hampiroboroboana ny fambolena vary sy voanjo ao amin’ny faritra izany.

Fitaovana isan-karazany no nozaraina tamin’izany : « Motoculteurs » miisa 4, « motopompes » 4, lahersa 6, angadin’omby 11 ary masomboly vary 1 460kg sy voanjo 900 kg. Andrandraina ny fiakaran’ny vokabary ho 425 taonina ka hatramin’ny 440 taonina ho an’ity taom-pambolena Asotry  2022 raha 350 taonina izany teo aloha hoy ny tompon’andraikitra. Torak’izany koa ny voly voanjo izay hanatsara ny fidirambolan’ny mpamokatra ka vinavinaina ho hahatratra hatramin’ny 45 Taonina ny vokatra azo raha 34 Ha ny tany volena.

Laisser un commentaire