ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana: Hanolotra fampianarana teny vahiny sy fananganana tetik’asa ny kaominina

Hisy ny fampianarana teny anglisy sy fanampiana ny tanora te hanana tetikasa, izay atolotry ny kaominina Sabotsy Namehana. Ny fikambanana Youth Light of the Future Madagascar no miara-miasa amin’ny kaominina manolotra izany, raha ny voalaza.

“Tafiditra indrindra ao anatin’ny ezaka ataon’ny kaominina ny fanohanana ny tanora mankany amin’ny fampandrosoana. Izany indraindra ny nahatonga ny tomponandraikitra manolotra fampianarana ny teny vahiny sy hanampy azy ireo hanana tetik’asa ho azy manokana ahafahany mampivoatra ny tontolony” hoy ireo tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.

“Afaka ampifamenoana ny tanteraka ny fahaizana teny hafa ankoatra ny nibeazana sy ny famoronana tetik’asa ho an’ny tena. Amin’izao fotoana dia efa tena mandroso ary mahazo vahana ny tontolon’ny fandraharahana ka mila manararaotra izany ny tanora” hoy i Mahenintsoa, tanora mpandraharaha.

Antsoina araka izany ireo tanora liana amin’izany sehatra izany fa hisy ny fivoriana izay atao ao amin’ny biraon’ny kaominina, ny zoma 06 oktobra izao, izay hanomboka amin’ny 03ora tolakandro.

Manitra R.

Laisser un commentaire