ActualitésTsidika

Mahitsy Alasora: Misy tranga hafahafa mandripaka ireo akoho amam-borona amin’ny alina

Nitrangana seho hafahafa tao amin’ny fokontany Mahitsy Alasora, ny herinandro lasa teo. Misy biby hafahafa mandripaka ireo vorona, toa ny akoho, vorontsiloza, ary ny akanga ao an-toerana, araka ny voalaza.

“Ny alin’ny 15 novambra teo, tokony ho tamin’ny 11ora sy sasany teo, tao anatin’ny orana no niseho ilay tranga. Ny lohan’ireo akoho amam-borona no tapahiny ary tsetsafiny ihany koa ny rany. Raha ny zavatra hita, mety ahafaty biby hafa ihany koa izany” hoy i Navalona, mponina ao Mahitsy.

“efa maro ny tanga hafahafa miseho amin’izao fotoana. mila mailo sy mitandrina ny tsirairay satria tsy fantatra intsony izay tena marina sy antony mahatonga izany na tena misy tokoa ilay antsoina hoe kely be tratra na sompatra avy amin’ny olombelona ihany” hoy i Sahondra, mpiompy.

Marihina moa fa nahitana dia tongotr’izany biby izany teo ivelan’ny trano nisy ireo akoho amam-borona ireto. Mila mailo sy miambina araka izany ny rehetra manoloana izao tranga izao.

Laisser un commentaire