Antananarivo Renivohitra : Ho alamina ny tsena
Nisy ny dinika sy fivoriana nataon’ireo mpivarotra eto Antananarivo sy ny ben’ny tanàna Andriantsitohaina Naina, ho fanapahana ny lamina tokony arahina mahakasika ny tsena. Nifanaraka tamin’izany ary fa ny hiara-hiasa ny roa tonta, ary nisongadina tao anatin’ny fivoriana izay natao ihany koa ny handaminana ny tsara araka ny tokony ho izy.
« Tafiditra ao anatin’izany ihany koa ny famerenana ho tan-dalàna ny tsena eto Antananarivo raha nisy fikorotanana izany teo aloha » hoy Mavo anisan’ireo mpivarotra. Nanamafy ny ben’ny tanàna an’Antananarivo fa tsy misy ny fanomezana ny tsena an’ireo tsy miankina, ary tsy hisy koa fiakaran’ny habantsena. Nosoniaviny ny alarobia 17 aogositra 2022 lasa teo, tao amin’ny lapan’ny tanàna Analakely moa ny fifanaraham-piara-miasa teo kaominina sy ireo fikambanana miisa telo : ny FITSEIFI, ny FMA ary ny EPTMA, izay fikambanan’ireo mpivarotra eny Isotry sy Anosizato.
Famenontsoa Rajerison
