ActualitésTsidika

Fampianarana : Ambany ny tahan’ny fahaizana mamaky teny sy manoratra

Mahatratra hatramin’ny 76,7% ny tahan’ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra izany hoe 23,3% ny mponina ihany no mahay mamaky teny sy manoratra ary mikajy eto Madagasikara. Any amin’ny faritra Anosy sy Androy iny no tena ahitana betsaka izany noho ny antony ara-piarahamonina: miaina ao anaty tsy fanjarian-tsakafo, kere, ary tsy fahasalamana ireo mponina any ka mihena araka izany ny isan’ireo mpianatra mandeha antsekoly.

« Ny hain-tany miteraka hanoanana be loatra no mampihena ny tahan’ny ankizy mandeha mianatra any amin’ny faritra atsimo iny ka mampihena be io tahan’ny olona mahay mamaky teny sy manoratra io » hoy i Pascal Razakanirina, mpiandraikitra ny fikarohana mahakasika ny fampianarana eo anivon’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. « Raha tohanana ara-tsakafo ireo ankizy mpianatra ireo dia hazoto na izahay Ray aman-dReny aza handefa azy hianatra satria hinoanay fa tsy harary izy ireo na sanatria ho torana rehefa any fa mitaintaina izahay amin’ny any antsekoly raha halefanay noana any izy ireo », hoy i Sitraka, renin’ny mpianatra.

Tafiditra ao anatin’ny fampandrosoana an’ny Madagasikara ny fanatsarana ny fanabeazana ary indrindra ny fanomezana fampianarana mitovy ho an’ny olona rehetra. Vinavinaina ny hahatafiditra ny ankizy rehetra hianatra ary mba ho lasa maimaim-poana izany fampianarana izany eto Madagasikara.

Miora Raharisolo 

Laisser un commentaire