ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Natolotra ireo fokontany telo ny lalan-kely vita tao amin’ny kaominina

Vita, ary natolotra ireo fokontany miisa telo ao anatin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, ny foto-drafitr’asa, izay avy amin’ilay tetik’asa lalan-kely faha telo tao amin’ny kaominina. Ny fokontany Manjaka, Ambohibe ary Antsampandrano no nisitraka izany foto-drafitr’asa izany.

« Tena mampijaly ireo lalan-kely ireo, indrindra rehefa ao anaty vanim-potoana ny fahavaratra, tena mamotaka tsy azo andehanana ka dia hisaorana ny kaominina tokoa satria efa ela ihany izahay no nitaraina manoloana io ka vita ihany izy ankehitriny » hoy i Toavina, mponina ao Antsampandrano.

« Vita tanteraka tokoa ankehitriny ny fanamboarana ny lalan-kely ety amin’ny kaominina. Anjaran’ny vahoaka mpampiasa azy ny mikojakoja sy mikarakara izany, izay hanaovana fanentanana manokana satria amin’ny maha fananana iombonana izao ilaina ny fanajana ny foto-drafitr’asa mba haharitra sy hipetraka ela, haharitra amin’ny ho avy » hoy ny avy eo anivon’ny kaominina Ankadikely Ilafy.

Manao ezaka hisitrahan’ny mponina eny ifotony hatrany moa ny kaominina hahafahan’izy ireo miala anaty fahasahiranana. Mandeha miandalana kosa ny fikarakarana ireo sehatra hafa sy ny fokontany ao anatin’izany. Ny fanentanana ny mponina amin’ny fanjana ny fananana iombonana ihany koa dia ilaina amin’ny foto-drafitr’asa vaovao toa izao ahafahana mitahiry sy manaja izany, izay anjara andraikitry ny tsirairay ao anatin’ny fokontany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire