ActualitésTatitra

Etats-Unis : Fifanandrinan’ny Deep Blue sy Kasparov

Ny fifaninana « Deep Blue contre Kasparov » dia fifaninana roa nisy finandrenana enina avy, tamin’ny lalao « échecs » nataon’ny tompondaka eran-tany Garry Kasparov sy ny solosaina IBM « Deep Blue ».

Valin’ny tetikasa ChipTest nataon’ny mpianatra Feng-hsiung Hsu, Murray Campbell ary Thomas Anantharaman tao amin’ny toeram-pikarohanan’ny oniversiten’ny Carnegie-Mellon tamin’ny 1985 io Deep Blue io. Novaina Deep Thought ny anaran’izany tany amin’ny taona 1988 ary naverina Deep Blue ny taona 1993.

Raha fintinana ny valin’io lalao natao tao Philadelphie tamin’ny volana febroary 1996 io dia i

Garry Kasparov no nahomby. Nahazo isa 4 noho ny 2 izy.

Laisser un commentaire