ActualitésTsidika

CNTEMAD : Ho « université virtuelle » voalohany eto Madagasikara

Nisy ny atrik’asa notanterahina teto Antananarivo izay niresahana ny fomba sy ny hevitra hananganana ny université virtuelle. Ny sekoly ambony ampitain-davitra CNTEMAD no hovaina ho université virtuelle, ka ny tetik’asan’ny filoham-pirenena mahakasika ny « digitalisation » no niteraka ity hevitra iray ity. Izany atrik’asa izany no natao mba hamoahana ny endriky ny « université viruelle » tsara hapetraka eto Madagasikara. Maro ireo mpianatra no tsy afaka manatrika ny fampianarana anaty efitrano noho ny antony maro samihafa ka izany ihany koa no antony nampitsiry ity hevitra ity hahafahan’ny tsirairay misitraka ny fianarana amabaratonga ambony.

Hoy indrindra i Pierre Jean Loiret avy ao amin’ny Agence Universitaire de la Francophonie (AUF) : « noho tsy fahampian’ny efitrano sy ny mpampianatra dia hapetraka ity « université virtuelle » ity mba hampitomboana ny isan’ireo tanora afaka manohy fianarana ambony ». Efa miakatra ihany koa ny tahan’ny mpampiasa aterinteo sy ny habaka amin’izao fotoana, indrindra fa ireo tanora ka nahaliana ny maro tamin’izy ireny ity tetik’asa iray ity. « Noho ny fameloman-tena sy ny tsy fahampian’ny enti-manana dia tsy afaka nanohy fianarana aho fa raha misy tokoa izany université virtuelle izany dia tena ho ampiasaiko » hoy i Tanjona tanora maniry ny hanohy fianarana.

Mahakasika izany anefa dia tsy mbola afaka mandeha dieny izao ity oniversite nomerika ity noho ny antontan-kevitra maro dia maro mbola tokony hampidirina ao anatiny eo ihany koa ny toerana mendrika hanatanterahana izany ary ny mahakasika ny herin’aratra sy ny « connexion » ho an’ny tsirairay.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire