Tontolo iainana : Mitohy ny hetsika ho fiadiana amin’ny fiovan’ny toetr’andro
Nampandray anjara hatrany ireo mpisehatra isan-tsokajiny voakasiky ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro i Madagasikara. Nisy ny atrik’asa nampitain-davitra ho an’ireo mpisehatra tsy miankina, nataon’ny avy ao amin’ny Ministeran’ny tontolo iainana.
« Nokendrena manokana ireo mpisehatra amin’ny sehatra tsy miankina mba hanamafy ny fandraisan’andraikitr’izy ireo amin’ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Voakasika manokana ny sehatry ny fambolena, ny fahasalamana, ny fitantanana ny sisintany sy ny rohivoahary ary ny famatsiana rano » hoy ny Minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Baomiavotse Vahinala Raharinirina. « Ny votoatin’ity atrik’asa ity dia ny ahazoana fankatoavana mahakasika ireo antotan-kevitra voaangona tany amin’ireo mpisehatra voakasiky ny Paikady ho fiatrehana ny fiovan’ny toetrandr. Ho entina hamolavolana sy handrafetana ny serasera sy ny angom-baovao mikasika ny Fiatrehana ho an’ny Sehatra tsy miankina » hoy i Henry René Diouf, solontena maharitra lefitra ao amin’ny PNUD.
Amin’ny alalan’ireo fitaovana novolavolaina ireo no ahafahan’ny sehatra tsy miankina manovo antontam-baovao ho entiny miasa sy ampiasana vola. Isan’ny sakana lehibe tsy mampandroso antsika tokoa mantsy ny fiovan’ny toetr’andro. Tsara ho tena laharam-pahamehana ihany koa izany satria noho ny fahamainan’ny tany no tsy mampiakatra ny vokatra ary miteraka fiakaran’ny sosialim-bahoaka.
Nicole Rafalimananjara
